- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoron-dranomasin’i Toamasina : Mpivaro-mandeha, nendahina mpivaro-tena fa tsy nahaloa trosa

Moron-dranomasin’i Toamasina : Mpivaro-mandeha, nendahina mpivaro-tena fa tsy nahaloa trosa

Lehilahy iray mpivaro-mandeha, izany hoe mpivarotra hani-masaka, no nendahana vehivavy mpampanofa fahafinaretana, noho ny resaka vola tsy voaloha. Lasa nivoaka imasom-bahoaka ny tsiambaratelo teo amin’izy ireo, satria mpanao trosa amin’ilay mpivarotr hani-masaka io mpampanofa fahafinaretana io ary mandoa vola hatrany izy isaky ny manana. Nihitatra anefa izany taty aoriana satria nanita-tsaina ilay mpivarotra hani-masaka ; ka mba nangataka nitrosa fahafinaretana tamin’ilay vehivavy. Resaka 60.000 Ariary no nifanarahana ; ka aloa 2.000 Ariary izany mpandra-pandoa azy manotolo. Tamin’ny fandoavana ny vola taty aoriana, izany hoe vao dimy andro no vita, dia nitsoatsoaka ilay tovolahy satria telo volana taty aoriana tsy mbola voaloa ny vola ; ka niafara tamin’ny fakana ny entam-barotra namidin’ilay tovolahy teny amoron-dranomasina. Niala maina ilay tovolahy satria tena tsy nanaiky hatramin’ny farany ilay tovovavy. Hitory eny amin’ny mpitandro filaminana moa tahotra ny ho afa-baraka, dia nody niala maina, sy tsy nitondra vola nody satria lasa ihany koa hatramin’ny volamaty, ary afa-baraka tamin’ireo nahita ny raharaha teny amoron-dranomasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici