- Publicité -
jeudi, septembre 17, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsDRETFP Betsiboka :  Mpiofana 40  notolorana mari-pahavitam-piofanana

DRETFP Betsiboka :  Mpiofana 40  notolorana mari-pahavitam-piofanana

Ny sabotsy 09 May taona 2026 teo iny, tokony tamin’ny 09 ora maraina tany ho any no nanatanterahana ny fanolorana ny mari-pahavitam-piofanana ho an’ireo tanora efapolo, nanaraka lalam-piofanana fohy ezaka na FPQ/AMB: « Formation Professionnelle Qualifiante/Apprentissage de Métiers de Base », tao amin’ny  » Lycée Technique et Professionnel Maevatanàna.  » Nitsinjara telo ny lalam-piofanana, ka tao ny sehatra  » Électricité de Bâtiment,  » izay nahitana mpiofana 16, ary enina ihany koa ny nanaraka: Informatique, 18 kosa ny teo amin’ny  » Maçonnerie. Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanolorana izany ho an’ny omaly sabotsy 09 May taona 2026 ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa Betsiboka, Atoa Dimby Ranaivo sy ny mpiara-miasa aminy, ary ireo tompon’andraikim-panjakana eto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka, izay notarihan’Atoa lefitry ny préfen’i Maevatanàna sy ny lehiben’ny faritra. Anisan’ny tanjon’ny eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa eto Betsiboka ny hanofanana ireo tanora ho matihanina amin’ny fanatanterahana ny asa ataony. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa tsy voatery ho mpianatra ihany no manaraka lalam-piofanana fohy ezaka fa na olon-tsotra efa eo amin’ny sehatry ny asa aza dia afaka manaraka izany avokoa.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici