
Ny sabotsy 09 May taona 2026 teo iny, tokony tamin’ny 09 ora maraina tany ho any no nanatanterahana ny fanolorana ny mari-pahavitam-piofanana ho an’ireo tanora efapolo, nanaraka lalam-piofanana fohy ezaka na FPQ/AMB: « Formation Professionnelle Qualifiante/Apprentissage de Métiers de Base », tao amin’ny » Lycée Technique et Professionnel Maevatanàna. » Nitsinjara telo ny lalam-piofanana, ka tao ny sehatra » Électricité de Bâtiment, » izay nahitana mpiofana 16, ary enina ihany koa ny nanaraka: Informatique, 18 kosa ny teo amin’ny » Maçonnerie. Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanolorana izany ho an’ny omaly sabotsy 09 May taona 2026 ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa Betsiboka, Atoa Dimby Ranaivo sy ny mpiara-miasa aminy, ary ireo tompon’andraikim-panjakana eto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka, izay notarihan’Atoa lefitry ny préfen’i Maevatanàna sy ny lehiben’ny faritra. Anisan’ny tanjon’ny eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa eto Betsiboka ny hanofanana ireo tanora ho matihanina amin’ny fanatanterahana ny asa ataony. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa tsy voatery ho mpianatra ihany no manaraka lalam-piofanana fohy ezaka fa na olon-tsotra efa eo amin’ny sehatry ny asa aza dia afaka manaraka izany avokoa.
Ratantely


