Lehilahy iray voalaza fa mpangala-jaza no voasambotry ny olona teny Tsaramasay omaly maraina. Lehilahy iray sy vehivavy iray izy ireo no niaraka ary nanantona ireo ankizy nilalao baolina teny an-toerana, raha ny fitantaranโny olona. Nisy nahatsikaritra ho nanao fihetsika hafahafa ka avy hatrany dia nisy nihoraka niantso fa misy mpangala-jaza. Taitra ny rehetra ka avy dia nanenjika azy ireo ka voasambotra ilay lehilahy iray. Voalaza ho nahitana mosoara, ranomanitra, ยซ seringue ยป sy basy tany aminy. Vokatrโizany, avy dia niharanโny fitsarambahoaka ka maratra mafy Ilay lehilahy io. Tao anatinโny savorovoro sy hatezerana noho ity resaka hala-jaza ity ireo vahoaka ary nanampatra izany taminโity lehilahy ity. Tonga teny ny mpitandro filaminana saingy tsy nahasakana ireo olona marobe nanao fitsaram-bahoaka. Efa tena voa mafy, nandriaka ny ra vao afaka nentina niala teny izy io. Nentinโny mpitandro filaminana taminโny fiara 4×4. Misokatra ny fanadihadiana momba ity tranga ity. Andrasana ny fanazavana avy aminโny polisy sy zandary raha tena mpangala-jaza tokoa, ary indrindra ny filazana fa nahitana basy sy ireo zavatra hafahafa. Andaniny, nisy koa ny filazana fa nisy lehilahy naka an-keriny teny Ankadivato teny. Fiara 4×4 miloko mainty raha ny voalaza ary nitondra basy ireo. Tao anatinโny fotoana fohy nisehoanโizany raha ny filazana ary tonga teny ny mpitandro filaminana fa tsy nahatratra na inona na inona. Ao anaty savorovoro nโy olona, eo koa ny fisavana fiara misy fitaratra mainty izay tena nohamafisina. Heverina fa izay mampiahiahy tokoa no iharanโizany ary fanaraha-maso ara-dalana fa tsy fanaparam-pahefana na fampitahorana. Mety hiteraka olana izany raha tsy voafehy indrindra raha olona tsy manan-tsiny no iharanโny tsindry. Efa maro ny mitaraina satria mety ho endrika fiarovana fananana aminโny ratsy koa izy ireny fa tsy entina hanaovan-dratsy.
Yv Sam





