- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
AccueilRégionsAndranomadio Mahavelona Foulpointe : Ny zanany 20 taona vao afaka baka nanomo...

Andranomadio Mahavelona Foulpointe : Ny zanany 20 taona vao afaka baka nanomo nahafaty ny reniny 46 taona

Tranga mampalahelo no niseho tao Mahavelona  Foulpointe ny omaly alina, alahady hifoha ny alatsinainy teo, fa ny zanany 20 tao vao afaka baka tamin’ny naoty « Assez Bien » no nahafaty ny reniny 46 taona tamin’ny daroka. Raha ny fanazavana dia nisy fifamaliana izy sy ity zanany  lahy ity nandritra izany, ka noho ilay tovolahy tsy dia salama saina ary vao nivoaka ny hopitaly fitsaboana olona marary saina vao haingana, tsy voatandrony ny daroka nataony tamin’ny reniny nifamaly taminy, ka izao maty tsy tra-drano izao. Na teo aza izany olana ara-tsaina mahazo ity tovolahy ity izao, dia vao nahare azy nahafaty olona ny zandary, ny fianakaviany ihany koa nitory azy, dia nosamborina ny tenany nanazava ny nahatonga ny olana ; ka anjaran’ny fitsarana ny manafaka azy raha mahita fa tsy tomon’ny tenany noho ny tsy fahasalaman’ny sainy ny fitsarana. Niaiky ny daroka nataony ilay tovolahy ary tsy nihevitra izy fa ahafaty ny reniny ilay daroka nataony. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary aminy noho izy afaka miteny tsara sy afaka anaovana fanadihadiana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici