Tranga mampalahelo no niseho tao Mahavelona Foulpointe ny omaly alina, alahady hifoha ny alatsinainy teo, fa ny zanany 20 tao vao afaka baka tamin’ny naoty « Assez Bien » no nahafaty ny reniny 46 taona tamin’ny daroka. Raha ny fanazavana dia nisy fifamaliana izy sy ity zanany lahy ity nandritra izany, ka noho ilay tovolahy tsy dia salama saina ary vao nivoaka ny hopitaly fitsaboana olona marary saina vao haingana, tsy voatandrony ny daroka nataony tamin’ny reniny nifamaly taminy, ka izao maty tsy tra-drano izao. Na teo aza izany olana ara-tsaina mahazo ity tovolahy ity izao, dia vao nahare azy nahafaty olona ny zandary, ny fianakaviany ihany koa nitory azy, dia nosamborina ny tenany nanazava ny nahatonga ny olana ; ka anjaran’ny fitsarana ny manafaka azy raha mahita fa tsy tomon’ny tenany noho ny tsy fahasalaman’ny sainy ny fitsarana. Niaiky ny daroka nataony ilay tovolahy ary tsy nihevitra izy fa ahafaty ny reniny ilay daroka nataony. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary aminy noho izy afaka miteny tsara sy afaka anaovana fanadihadiana.
Malala Didier




