- Publicité -
dimanche, novembre 9, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Voaroba ny volamena rehetra tao an-trano, tovolahy 19 taona voatifitra

Toliara : Voaroba ny volamena rehetra tao an-trano, tovolahy 19 taona voatifitra

Nitrangana fanafihana mitam-basy indray tao Toliara. Jiolahy efatra mitam-basy tsy nisaron-tava nandroba tokantrano iray tao amin’ny fokontanyAndabizy, vao maraim-be tamin’ny roa ora. Raha vao tafiditra ny trano ireto jiolahy, dia nitaky vola avy hatrany. Nilaza ho tsy manana ilay raim-pianakaviana tompon-trano saoferana taksiborosy, ka notifirin’ireo jiolahy tsy nananany antra ny zanany lahy 19 taona. Niditra teo amin’ny kibony ny bala. Noho ny fahaverezan-drà be loatra dia nitolefika tsy tafatsangana intsony ity tovolahy. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, dia lasan’ireo jiolahy ny volamena rehetra tao an-trano niampy finday maromaro. Mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’izao, manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalibe ity tovolahy notifirin’ireo jiolahy.
Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici