Maro ny mpizaika no nitaraina, noho ny fahaverezan’ny entana ary nisy avy hatrany koa ny fepetra noraisin’ny manampahefana mahakasika an’izany. Midika izany toe-javatra izany, fa misy ihany koa ny olon-dratsy izay manaraka ny toerana misy hetsika ka be olona, eto amin’ny Nosy. Olona aman’arivony no ao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa, ka mifamezivezy ao an-toerana. Efa niomana tamin’izany ny tanàna, saingy ny indro kely dia ny fisian’ny mpangalatra ; izay mety ho mody mifangaro amin’ny mpizaika. Tsy kely làlana ny ratsy…
D.R