Mpivady roa no indray natelin’ny ranomasina tao Ambinanibe, ny alakamisy teo. Teo am-panaratoana ( am-panjonoana) indrindra ireto mpivady ireto no tratran’ny tampoka tsy nampoizina. Marihina fa tony dia tony ny onjan-drano, saingy tsy nahasakana ny fitsokan’ny rivotra tampoka, ka nahatonga ity lozan-dranomasina ity. Nanjavona tsy mbola hita hatramin’izao andefasana ny vaovao izao ny razana (izy mivady) sy ireo fitaovana nampiasaina. Saika isan-taona, misy hatrany ireo olona namoy ny ainy, any anatin’ny ranomasina any. Mahakasika ny fotoam-panjonoana oratsimba na langoustes, dia nanomboka ny voalohan’ny volana Oktobra izao, tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 desambra. Mahakasika ny vokatra azo somary latsaka. Haroso hoanao mpamaky eto ihany.
Articles qui pourraient vous intéresser