- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFort Dauphin- Ambinagnibe : Mpivady natelin'ny rano, mbola karohina ny fatiny

Fort Dauphin- Ambinagnibe : Mpivady natelin’ny rano, mbola karohina ny fatiny

Mpivady roa no indray natelin’ny ranomasina tao Ambinanibe, ny alakamisy teo.  Teo am-panaratoana ( am-panjonoana) indrindra ireto mpivady ireto no tratran’ny tampoka tsy nampoizina. Marihina fa tony dia tony ny onjan-drano, saingy tsy nahasakana ny fitsokan’ny rivotra tampoka, ka nahatonga ity lozan-dranomasina ity. Nanjavona tsy mbola hita  hatramin’izao andefasana ny vaovao izao ny razana (izy mivady) sy ireo fitaovana nampiasaina. Saika isan-taona, misy hatrany ireo olona namoy ny ainy, any anatin’ny ranomasina any. Mahakasika ny fotoam-panjonoana oratsimba na langoustes, dia nanomboka ny voalohan’ny volana Oktobra izao, tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 desambra. Mahakasika ny vokatra azo somary latsaka. Haroso hoanao mpamaky eto ihany.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici