- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga: Nolavahan’ireo gadra ny rindrina, dia teo ry zalahy no nivoaka

Mahajanga: Nolavahan’ireo gadra ny rindrina, dia teo ry zalahy no nivoaka

Nahoraka tao Mahajanga ny fandosiran’ireo gadra notanana tao amin’ny Fonja Vaovao namboarin’ny Croix Rouge,ny alin’ny 2 janoary hifoha 3 janoary. Ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana no nahalalana fa, valo izy ireo no indray nandositra io alina io. Ny enina tamin’izy ireo dia fantatra ny anarany : Razafinomenjanahary Gaël Fredo, Gustavo dit Douze, Tsaradia Felix, Ralaivao Jean Ernest, Rabezanahary Noelson, Rabenandrasana Sylvano. Ny roa kosa dia tsy fantatra ny mombamomba azy . Mbola mitohy ny fikarohana azy ireo amin’izao fotoana izao. Tamin’ny fotoana nandosirany, nolavahan’izy ireo ny rindrina dia teo ry zalahy no nivoaka. Efa naparitaka amin’ny mpitandro filaminana any an-toerana ny momba azy rehetra ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici