- Publicité -
mardi, décembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Mpimasy nitsapa ny herin’ny odiny tamin’ny basy, maty nitifi-tena

Miandrivazo : Mpimasy nitsapa ny herin’ny odiny tamin’ny basy, maty nitifi-tena

Mpimasy iray malaza any amin’ny tanàna iray antsoina hoe : Masiakampy, 30km miala an’i Miandrivazo no maty tsy tra-drano nitifi-tena tamin’ny basy, ny asabotsy teo. Raha araka ny vaovao voaray avy tany an-toerana, dia naka ny basiny ity ombiasy malaza ity ary nampiseho tamin’ny rehetra teo an-tanàna fa tsy laitran’ny bala izy hoy ny teniny, fa manana ody basy mahery. Nalainy ny basy, nataony tao am-bava ny vava-basy ary napoakany. Ny fatiny izay nihosin-drà sy ny atidohany niparitaka, no nalain’ny havany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici