- Publicité -
vendredi, septembre 26, 2025
AccueilFaits-DiversMandritsara : Nodoran’ny olona ny tranon’ny sinoa mpitrandraka

Mandritsara : Nodoran’ny olona ny tranon’ny sinoa mpitrandraka

Tsy nahafaly ny olona ny fisian’ny sinoa mitrandraka vato ao amin’ny kariera iray eo amin’ny manodidina an’i Mandritsara. Nitarika ny fidinan’ireo an-dalambe izany ny talata teo ary tsy vitan’izany fa tonga hatramin’ny fampiasana herisetra. Nodorana ny tranobe fipetrahan’ireo sinoa ary teo no niditra an-tsehatra amin’izay ny mpitandro ny filaminana. Koa satria filaminam-bahoaka no voatohintohina tamin’ity tranga ity dia nisy avy hatrany ny fivorian’ny manampahefana eo anivon’ny OMC tao an-toerana. Nampanantsoina hatramin’ny sojabe sy ny olom-boafidy mba hiara-hidinika tamin’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana sy ny manampahefana isan-tsokajiny. Tapaka tao anatin’izany ary fa hatsahatra vonjimaika aloha ny fahazoan-dàlan’ireo sinoa manao ny fitrandrahana vato sarobidy mandra-pisian’izay mety ho fanapahan-kevitra vaovao indray.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici