- Publicité -
mercredi, septembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandritsara : Nodoran’ny olona ny tranon’ny sinoa mpitrandraka

Mandritsara : Nodoran’ny olona ny tranon’ny sinoa mpitrandraka

Tsy nahafaly ny olona ny fisian’ny sinoa mitrandraka vato ao amin’ny kariera iray eo amin’ny manodidina an’i Mandritsara. Nitarika ny fidinan’ireo an-dalambe izany ny talata teo ary tsy vitan’izany fa tonga hatramin’ny fampiasana herisetra. Nodorana ny tranobe fipetrahan’ireo sinoa ary teo no niditra an-tsehatra amin’izay ny mpitandro ny filaminana. Koa satria filaminam-bahoaka no voatohintohina tamin’ity tranga ity dia nisy avy hatrany ny fivorian’ny manampahefana eo anivon’ny OMC tao an-toerana. Nampanantsoina hatramin’ny sojabe sy ny olom-boafidy mba hiara-hidinika tamin’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana sy ny manampahefana isan-tsokajiny. Tapaka tao anatin’izany ary fa hatsahatra vonjimaika aloha ny fahazoan-dàlan’ireo sinoa manao ny fitrandrahana vato sarobidy mandra-pisian’izay mety ho fanapahan-kevitra vaovao indray.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici