- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversFMFOI : Etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena anio

FMFOI : Etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena anio

Ho avy etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena anio ny Pasitera Benjamina ary hanome aim-panahy ho an’izay tonga ao. Ny mpianatra izay handia ny taom-pianarana vaovao, ny ray aman-dreny izay maniry tokantrano sambatra, ny mpiasa izay mila filaminana amin’ny fanatontosana ny andavanandrony ary koa izay mety ho olom-pirenena rehetra dia hasainy ho tonga amin’izany. Ny tanjona dia ny mba hitondràna am-bavaka, hizarana izay mahasoa ary indrindra entina hanabeazana ny olona ara-panahy. « Hanana moraly ambony ny olona rehefa avy ao amin’io hetsika masina io. avy amin’izany no hitombo ny fahazotoany ary koa ny fahavitrihany hiatrika ny andavanandrom-piainany. Mifanandrify indrindra amin’ny fidiran’ny mpianatra ny vanim-potoana ankehitriny ary izahay ihany koa dia nanapa-kevitry ny hankalaza ny fidirana ôfisialy (rentrée solennelle) saingy amin’ny endrika masina” raha araka ny fanazavan’ny Pasitera Benjamina. Mila omanina ny fandaharan’asa mandritra ny taona ary izany dia entina am-bavaka mba ho tanteraka amin’ny antsakany sy andavany ho an’ny tsirairay avy. Fitaizana ara-panahy no isan’ny himasoan’ny fandaharam-potoana. Hiteraka fiovan’ny toetra eo amin’ny olona izany ary hahafahany manankim-po bebe kokoa amin’Andriamanitra, ary dia hizotra milamina ny taona izay diaviny rehefa tafapetraka izany. Tsy pôlitika velively no atao fa fitaizana ara-panahy mba hiteraka fanovana ho an’ny Firenena sy ny olona ao aminy mba hiadanan’ny tsirairay avy amin’izay tandrify azy. Hetsika lehibe anio etsy amin’ny palais des sports.

r.f

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici