Ho avy etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena anio ny Pasitera Benjamina ary hanome aim-panahy ho an’izay tonga ao. Ny mpianatra izay handia ny taom-pianarana vaovao, ny ray aman-dreny izay maniry tokantrano sambatra, ny mpiasa izay mila filaminana amin’ny fanatontosana ny andavanandrony ary koa izay mety ho olom-pirenena rehetra dia hasainy ho tonga amin’izany. Ny tanjona dia ny mba hitondràna am-bavaka, hizarana izay mahasoa ary indrindra entina hanabeazana ny olona ara-panahy. « Hanana moraly ambony ny olona rehefa avy ao amin’io hetsika masina io. avy amin’izany no hitombo ny fahazotoany ary koa ny fahavitrihany hiatrika ny andavanandrom-piainany. Mifanandrify indrindra amin’ny fidiran’ny mpianatra ny vanim-potoana ankehitriny ary izahay ihany koa dia nanapa-kevitry ny hankalaza ny fidirana ôfisialy (rentrée solennelle) saingy amin’ny endrika masina” raha araka ny fanazavan’ny Pasitera Benjamina. Mila omanina ny fandaharan’asa mandritra ny taona ary izany dia entina am-bavaka mba ho tanteraka amin’ny antsakany sy andavany ho an’ny tsirairay avy. Fitaizana ara-panahy no isan’ny himasoan’ny fandaharam-potoana. Hiteraka fiovan’ny toetra eo amin’ny olona izany ary hahafahany manankim-po bebe kokoa amin’Andriamanitra, ary dia hizotra milamina ny taona izay diaviny rehefa tafapetraka izany. Tsy pôlitika velively no atao fa fitaizana ara-panahy mba hiteraka fanovana ho an’ny Firenena sy ny olona ao aminy mba hiadanan’ny tsirairay avy amin’izay tandrify azy. Hetsika lehibe anio etsy amin’ny palais des sports.
r.f