Fandriampahalemana maharitra
“Hohamafisana ny fisorohana” hoy ny Lt kolonely Randrianarivelo Anicet komandy vaovaon’ny “groupement”

Voatendry ny volana oktobra lasa teo, ny komandy vaovaon’ ny “groupement”-n’ny Zandarimariam-pirenena eto Amoron’i Mania, dia ny Lietenà kolonely Randrianarivelo Anicet.
Fisorohana. Nandritra ny resadresaka fohifohy nataon’ny komandy vaovaon’ny “groupement”tamin’ny mpanao gazety, dia nanambara ny Lietnà kolonely Randrianarivelo Anicet, fa ny paikady hoentina mitantana maharitra ny fahandriampahalemana, dia hifantoka bebe kokoa amin’ny fisorohana ialàna amin’ny fifandonana izay matetika miteraka fahavoazana lehibe na eo anivon’ny mpitandro ny filaminana na eo anivon’ny vahoaka . Hampitomboina ny “poste”-n’ny zandary amin’ireo toerana hita fa anjakan’ny tsy fandriampahalemana, toy ny any Ambalamanakana, Manandriana… Hisy ihany koa ny fampianarana ny olona amin’ny fiarovana ny tanàna sy ny fanarahan-dalàna ao anatin ’ireo distrika efatra misy eto amin’ny faritra Amoron’i Mania. Hafatra no napetraky ny kom’ndin’ ny “groupement” ho an’ny vahoaka, mba hisian’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fanomezana vaovao hamongorana ireo asan-dahalo. Satria, ny filaminana, dia tsy asan’ny mpitandro ny filaminana irery.
Hetsika. Ny volana septambra lasa teo , tao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana, dia nisy hetsika nataon’ny vondrontobim-paritry ny zandarimaria ao Ambatofinandrahana izay notarihin’ny kapiteny Mahazoto Mara Boniface, komandin’ny vondrontobim-paritra miaraka tamin’ireo miaramila avy any Fianarantsoa; naharitra 20 andro. « Opération » nahafatesana miaramila iray tao Vohidahy ao amin’ny kaominina Fenoarivo sy dahalo iray ary nahatrarana basim-borona iray, omby dimy nampidirina « fourrière ». Nisy ihany koa omby halatra 26 naverina tamin’ireo tompony. Mitohy arak’izany ireo ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana hampanjakana ny fandriampahalemana. Tsapa tato ho ato, fa nihena kely ny asan-dahalo teto amin’ny faritra Amoron’i Mania noho ireo ezaka nataon’ireo mpitandro ny filaminana, na dia eo aza ny tsy fahampiana ny hoenti-manana hiatrika ireo dahalo izay hita fa manana fitaovam-piadiana mahery vaika sy mpiaro mahery vaika ihany koa.
Anastase




