- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmoron’i Mania

Amoron’i Mania

Fandriampahalemana maharitra

 “Hohamafisana ny fisorohana”    hoy  ny  Lt kolonely  Randrianarivelo Anicet  komandy vaovaon’ny “groupement”

 “Ny Lietnà kolonely Randrianarivelo Anicet, komandin’ny “groupement” vaovao  Amoron’i Mania”. (Sary:  Anastase)
“Ny Lietnà kolonely Randrianarivelo Anicet, komandin’ny “groupement” vaovao Amoron’i Mania”. (Sary: Anastase)

Voatendry ny volana oktobra lasa teo, ny komandy vaovaon’ ny “groupement”-n’ny Zandarimariam-pirenena eto Amoron’i Mania,  dia ny  Lietenà kolonely Randrianarivelo Anicet.

Fisorohana. Nandritra ny resadresaka fohifohy  nataon’ny komandy vaovaon’ny “groupement”tamin’ny mpanao gazety, dia nanambara ny Lietnà kolonely Randrianarivelo Anicet, fa ny paikady hoentina mitantana maharitra ny fahandriampahalemana, dia hifantoka bebe kokoa amin’ny fisorohana ialàna amin’ny fifandonana izay  matetika miteraka fahavoazana lehibe na eo anivon’ny mpitandro ny filaminana na eo anivon’ny vahoaka .  Hampitomboina  ny “poste”-n’ny zandary  amin’ireo toerana hita fa anjakan’ny tsy fandriampahalemana, toy ny any Ambalamanakana, Manandriana… Hisy ihany koa ny fampianarana ny olona amin’ny fiarovana ny tanàna sy ny fanarahan-dalàna ao anatin ’ireo distrika efatra misy eto amin’ny faritra Amoron’i Mania.  Hafatra no napetraky ny kom’ndin’ ny “groupement” ho an’ny vahoaka, mba hisian’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fanomezana vaovao hamongorana ireo asan-dahalo. Satria,  ny filaminana, dia tsy asan’ny mpitandro ny filaminana irery.

Hetsika. Ny volana septambra lasa teo , tao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana, dia nisy  hetsika  nataon’ny vondrontobim-paritry ny zandarimaria ao Ambatofinandrahana izay notarihin’ny kapiteny Mahazoto Mara Boniface, komandin’ny vondrontobim-paritra miaraka tamin’ireo miaramila avy any Fianarantsoa;  naharitra 20 andro. « Opération » nahafatesana miaramila  iray  tao Vohidahy ao amin’ny kaominina Fenoarivo  sy dahalo iray  ary nahatrarana basim-borona iray, omby  dimy nampidirina « fourrière ». Nisy ihany koa omby  halatra 26 naverina tamin’ireo tompony. Mitohy arak’izany ireo ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana hampanjakana ny fandriampahalemana. Tsapa tato ho ato, fa nihena kely ny asan-dahalo teto amin’ny faritra Amoron’i Mania noho ireo ezaka nataon’ireo mpitandro ny filaminana, na dia eo aza ny tsy fahampiana ny hoenti-manana hiatrika ireo dahalo izay hita fa manana fitaovam-piadiana mahery vaika sy  mpiaro mahery vaika ihany koa.

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici