- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nosamborina i Arnaud, efa im-pito nigadra

Toamasina : Nosamborina i Arnaud, efa im-pito nigadra

arnaudEfa herintaona izay no nanafihan’i Arnaud Raotoarinosy 29 taona ilay mpandraharaha vao tonga teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse tao Tanambao V avy any Mananara avaratra, dia nisy ny fikarohana natao azy, saingy nahay niafina hatrany izy, ka tsy nety tratra ary nanohy hatrany ny asa fanafihana mitam-piadiana sy fanendahana fanaony nandritra izay. Tratran’ny tsy napoizina anefa izy noho ny vaovao azon’ny polisy ara-potoana, ny sabotsy alina tokony tamin’ny 11ora, teo am-piketrehana ny asan-jiolahy fanaony ka nifanehitra tamin’ny polisin’ny hery vonjy taitra (FIP) tao Ankirihiry-atsimo izay tena fokontany fanaovany ny maha-jiolahy azy. Na mbola saika hikasa handositra aza izy tamin’izao fahatrarana azy am-bodiomby izao, dia tsy namelan’ny polisy ny FIP raha tsy tratrany. Avy hatrany dia nibaradaka i Arnaud tamin’ny fahatrarana azy izao; ka fantatra tamin’izany fa efa nifonja ny tenany ny taona 2004 noho ny vono olona nataony noho resaka alim-pandihizana sy resaka vehivavy tao amin’ny Tanamakoa tamin’izay. Efa im-pito niditra tao Ambalatavoahangy ny tenany, saingy mamerin-keloka hatrany izy raha mahavita ny saziny na navotsotry ny fitsarana tamin’ireo heloka nanenjehana azy…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici