Efa herintaona izay no nanafihan’i Arnaud Raotoarinosy 29 taona ilay mpandraharaha vao tonga teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse tao Tanambao V avy any Mananara avaratra, dia nisy ny fikarohana natao azy, saingy nahay niafina hatrany izy, ka tsy nety tratra ary nanohy hatrany ny asa fanafihana mitam-piadiana sy fanendahana fanaony nandritra izay. Tratran’ny tsy napoizina anefa izy noho ny vaovao azon’ny polisy ara-potoana, ny sabotsy alina tokony tamin’ny 11ora, teo am-piketrehana ny asan-jiolahy fanaony ka nifanehitra tamin’ny polisin’ny hery vonjy taitra (FIP) tao Ankirihiry-atsimo izay tena fokontany fanaovany ny maha-jiolahy azy. Na mbola saika hikasa handositra aza izy tamin’izao fahatrarana azy am-bodiomby izao, dia tsy namelan’ny polisy ny FIP raha tsy tratrany. Avy hatrany dia nibaradaka i Arnaud tamin’ny fahatrarana azy izao; ka fantatra tamin’izany fa efa nifonja ny tenany ny taona 2004 noho ny vono olona nataony noho resaka alim-pandihizana sy resaka vehivavy tao amin’ny Tanamakoa tamin’izay. Efa im-pito niditra tao Ambalatavoahangy ny tenany, saingy mamerin-keloka hatrany izy raha mahavita ny saziny na navotsotry ny fitsarana tamin’ireo heloka nanenjehana azy…
Malala Didier