“Tsy miasa aho, nefa nilaozam-bady ihany koa, ka ny fivarotana ireto rongony ireto no famelomako ireo zanako telo”, izay no nambaran’ity renim-pianakaviana 32 taona ity tamin’ny fahatraran’ny polisy azy teo am-pivarotana ireto fonosana rongony 44 taminy. Raha ny fanazavan’ity renim-pianakaviana ity, dia amidiny 1.000 ariary ny iray amin’ireto fonosana rongony tratra taminy ireto. Rongony entin’ny olona aminy na afarany amin’ireo mpitondra izany avy any Ifito raha ny filazany, no amidiny. Ireo mpitondra posy sy mpamily fiara vaventy ary ireo mpiasatena mafy, toy ny mpanamboatra trano no tena mpividy izany aminy; ka ho an’ireo tsy afaka mifoka izany any aminy sy ny toerana ifohany izany, dia mampifoka azy ireo ao aminy ihany koa ity renim-pianakaviana ity. Tsy nandà ny varotra rongony fanaony fivelomany izy, saingy nilaza kosa ho tsy mahalala, fa maha-voasazy ny fivarotana izany izay asa fanaony efa ho dimy taona izao. Ankoatra izay, dia nambaran’ny polisy fa fototry ny tsy filaminam-bahoaka amin’ny fitomboan’isan’ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery ary resaka vaky trano, ny firongatry ny fifohana azy ity ho an’ny tanora. Ny tena olana izao hoy hatrany ny polisy, dia mihazaza ny mpifoka azy ity ankehitriny…
Malala Didier