Niteraka fitohanan-dalana ny famoahan’ny vadintany ny entana an’ity teratany Sinoa manana ny orinasa filokana ao Tanamakoa Toamasina, ny zoma maraina teo. Navoaka teo amin’ny arabe sy tao anatin’ny orana avokoa ireo entana tao amin’ity trano filokana ity nandritra izany, nanampy azy nitatitra ireo antana maro be ireo hatramin’ny « coffre » roa goavam-be ireo fikambanan’ny teratany Sinoa eto Toamasina, amin’ny maha-filoha lefitry ny fikambanan’ireo Sinoa avy any Chine mila ravinahitra eto Toamasina mantsy ity Sinoa voaroka tao Tanamakoa ity. Raha ny fanazavan’ilay iraky ny karana tompon’ny tany dia resaka tsy fahaloavana vola hofan’ny tany efa ho efa-taona izao no niteraka ny olana, ka tonga teny amin’ny fitsarana ary tonga tamin’izao fandroahana izao raha nivoaka ny didy fandresen’ilay teratany karana. Ho an’ity sinoa voaroka ity kosa tamin’ny alalan’ny mpandika teniny dia tsy marina ny hofan-tany tsy voaloha izany, satria efa hatramin’ny taona 2018 ny vola naloan’ity sinoa ity raha maharitra amin’ny 2023 ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta ny taona 1998 nanaovana sonia izany, satria ilay sinoa no nanangana ny trano teo ambonin’ity tany hana karana ity. Ny tena nahagaga ireto fikambanana sinoa kosa dia ny hafainganan’ny fivoahan’ny « Grosse » ny didy, satria ny 05 jolay no nivoaka ny didim-pitsarana, roa taorian’izay efa nahazo izany ilay karana nefa tsy nampahalalana ilay sinoa resy izany. Tsy nisy anefa ny azo natao satria na ny mpisolovava ity sinoa niezaka nanakana ny fandroahana sy famoahana ny entany aza sahirana tamin’ny fitadiavana ity didim-pitsarana ity raha nikasa ny hanao fanakanana izany ny raharaha. Ho hita eo ny tohin’ity ady eo amin’ny Sinoa sy ny Karana ity…
Malala Didier