Hagegena mihoam-pampana ! Tezitra tamin-dramatoa vadiny ity rangahy iray, taorian’ny fifamaliana nataon’izy ireo, ka ilay trano tsy nanan-tsiny no nianjerany izany. Napoakany avy hatrany tamin’ny « dynamite » …
Trangam-piaraha-monina hafa kely tokoa no niseho tao Ankofafa, Fianarantsoa, omaly tolakandro. Fipoahana mahery vaika, narahana setroka nijolofotra sy lela afo nijoajoala, toa ireny horonantsary ireny mihitsy no hitan’ny manodidina, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro teo. Tahotra sy horohoro, sanatria toa hoe nisy nandaroka baomba ireny no nanjaka tamin’ireo mponina. Ireo mpitandro filaminana nantsoina avy hatrany taorian’izany tranga izany no nanazava ny zava-misy. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia lehilahy iray, tompon’ny trano ihany no nanapoaka izany fananany izany tamin’ny alalan’ny dinamita. Ny antony, nisy hoe fifamaliana teo aminy sy ramatoa vadiny. Tezitra tamin’io fifamaliana io ny anao lahy ka tsy nisalasala nanapotika sy nandoro ny fananany tahak’izao. Ny tena loza, dia saika nihitatra teo amin’ny manodidina ny afo naterak’izany fipoahana izany, ary efa nisy mihitsy ny tafon-trano teo amin’ny manodidina no voarain’ny afo. Tonga avy hatrany teny an-toerana ihany koa moa ireo mpamonjy niezaka nifehy izay firehetana izany tsy hihitatra ary soa ihany fa nalaky voavona sy voafehy tokoa izany. Rangahy kosa, izay toa tsy taitra akory teo anatrehan’ny fahavoazana, fa voalazan’ny sasany tamin’ireo nanatri-maso aza fa mbola nahavita nisotro, noraisim-potsiny ary nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ireo mpanao fanadihadiana ary notazomina natao andrimaso. Raha ny voalaza hatrany dia toa hoe efa zava-panaon-drangahy mihitsy ity manapoapoaka dynamita eo an-tanana ity. Misy ambin’izany mipetraka foana mantsy ao an-tranon’izy ireo noho ny fisian’ny olona miasa eny anivon’ireny toeram-pitrandrahana ireny. Efa nisy fotoana aza, raha ny fampitam-baovao hatrany ny nanapoahany ny tranon’ireo akoho an-jatony maro tao aminy, rehefa iny izy mamomamo iny.
m.L