- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAdin’ny samy mpamily Tuc-Tuc : Tsy nahazo rariny ilay mpamily saika maty, mpitory

Adin’ny samy mpamily Tuc-Tuc : Tsy nahazo rariny ilay mpamily saika maty, mpitory

Mbola eo anivon’ny hopitalibe mitsabo tena ilay mpamily Tuc-Tuc iray noho ny fahavoazana mafy teo amin’ny lohany, sady vaky no mbola voatsindrona vy ihany koa. Soa aloha fa tsy voakitika ny atitodany tamin’izao adin’ny samy mpamily Tuc-Tuc noho ny fifandonana teo amin’izy ireo izao. Nandositra ilay mpamily Tuc-Tuc iray taorian’ny adin’izy ireo saika nahafaty ny namany raha tsy nahazo fitsaboana haingana, ka ny alatsinainy teo izy no voasambotry ny polisy rehefa nitory azy ilay niharam-boina. Niakatra fitsarana ny alarobia teo ny raharaha. Raha ny fitoriana dia fikasana hamono sy fandratrana niniana natao no manenjika azy teny amin’ny polisy nisahana ny raharaha, nefa raha tonga teo amin’ny fitsarana, izay voatery naverina teny amin’ny hopitaly be, ny mpitory nitsaboana azy noho ny mbola fisian’ny fahaverezan-drà taminy, dia famotsorana vonjimaika alohan’ny fitsarana no azon’ilay mpamily Tuc-Tuc. Hagagana ny an’ilay mpamily Tuc-Tuc mpitory vokatr’izany, ka nisy ny fanoherany izany didy savaranonado navoakan’ny fampanoavana izany ny alarobia hariva ihany, koa ho hita eo indray ny tohin’ny raharaha fa nampifanditra ny teo anivon’ny fampanoavana ny zava-nisy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici