Ny alarobia sy ny alakamisy izay natrehan’ny filoham-pirenena mihitsy tamin’izay, dia nisy ny fitiliana faobe natao teto Toamasina noho ny fahitana fa mirongatra sy mahazo vahana ny “cas contacts” eto Toamasina. Tao anatin’ny roa andro nanaovana ny fitiliana niarahan’ny ekipan’ny Institut Pasteur de Madagasikara sy ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana, dia nahatratra 985 ireo vita fitiliana tamin’izany, ka 598 no tao Ambatovy raha 385 ireo teo amin’ny toerana malalaky ny lapan’ny Tanàna. Handrasana ny vokatry ny fitiliana amin’izao araka ny nambaran’ny governora Atsinanana Atoa Rafidison Richard Théodore amin’izao hahalalana ny vokatry ny fitiliana faobe natao teto Toamasina ity. Ny olana koa izao dia mbola misy amin’ireo tokony hanaovana ny fitiliana faobe ireo no tsy hita sy nitsoaka izay mbola tadiavana amin’izao fotoana izao, araka ny angom-baovao. Isan’ny nolazain’ny filoha teto Toamasina taorian’ny filazany ny fahasorenany tamin’ny vahoakan’i Toamasina, ny tsy maintsy hisotroan’ny olona ilay Covid Organics na CVO ka mahatonga azy amin’izao zaraina isan-tokantrano ao anaty “sachet” ho an’ny fianakaviana efatra an-trano. Raha ilay fizarana tambavy teny anivon’ny boriborintany 5 teto Toamasina dia 25.000 no isany, saingy tsy nisy nahatody ilay 7 andro tokony hampiasana ilay tambavy ny rehetra nanjifa izany no olana ka izao nosoloina tambavy anaty “sachet” ho an’ny fianakaviana izao. Ankoatra izany dia efa namoahan’ny prefen’i Toamasina Atoa Benandrasana Cyrille didim-pitondrana mihitsy ny fihibohana tsy fahafahana mivoaka intsony ho an’ireo mpiasa ao Ambatovy, araka ny baikon’ny filoham-pirenena; saingy ireo sehatra voalaza fa tena ilaina sy saro-pady ao Ambatovy kosa eo am-pandaminana ny fomba fiasa sy ilay tokony hatao azy Ambatovy sy ny governora Atsinanana ary ny prefen’i Toamasina. Fantatra koa izao araka ny angom-baovao azo tamin’ireo mpitsabo, fa misy naman’izy ireo iray, mpiasa eny amina CSB II voan’ny Covid-19 eto Toamasina ary efa misy fandraisana an-tànana azy izao.
Malala Didier