- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny dahalo : Tafajoro ny fikambanana Voromahery ao Ambovombe-Centre

Ady amin’ny dahalo : Tafajoro ny fikambanana Voromahery ao Ambovombe-Centre

Eo  anoloan’ny tsy fahandriampahalemana misy, dia tsy miraviravy tànana ny mponina any amin’ny kaominina Ambovombe-centre, distrikan’i Manandriana, faritra Amoron’i Mania.

Ho fanamafisana ny rafitra efa misy, dia tafajoro ny fikambanana Voromahery. Ny tanjon’izao ezaka izao, hoy ny filohan’ny fikambanana Voromahery, dia ny hampivondronana ny hery rehetra amin’ny ady amin’ny tsy fahandriampahalemana sy ho fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokonolona sy ireo mpitondra fanjakana, fa indrindra ihany koa, ireo mpitandro ny filaminana. Ho porofon’izany, na dia fotoana vitsy monja aza no naha- tafajoro ny fikambanana Voromahery, dia efa nisy sahady  ny vokatra azo, amin’ny fisamboarana dahalo roa lahy, ka efa natolotra an’ireo mpitandro ny filaminana.

Mazava ho azy,fa ny hetahetan’ireo mpikambana ao anatin’ny fikambanana Voromahery, dia ny hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa efa natomboka amin’ny fanjakana amin’ny famondronana ny hery rehetra lavitra ny kolikoly, ka ny tanjona farany dia ny fametrahana  fandriampahalemana maharitra ao anatin’ny kaominina Ambovombe-centre, eny  hatramin’ny distrika manontolo aza.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici