- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny fanaparitahana vaovao diso : Mpanao gazety 15 nahazo fiofanana tany Antsirabe

Ady amin’ny fanaparitahana vaovao diso : Mpanao gazety 15 nahazo fiofanana tany Antsirabe

Ao anatin’ny tetikasa « Rooted in Trust » andiany faharoa, izay novolavolain’ny Internews, niaraka tamin’ny Ong Ilontsera, mpanao gazety miiisa 15 indray, avy eto amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Bongolava no nahazo fiofanana tao Antsirabe ny herinandro teo. Niompana manokana tamin’ny ady atao amin’ny fanaparitahana vaovao diso (desiformation) sy ny tsaho, amin’izao ankatoky ny valan’aretina mianjady eto amin’ny firenena amin’izao, indrindra fa ny Covid-19, no lohahevitra nitondrana ity fampiofanana ho an’ny mpanao gazety ity. « Nosafidiana manokana ny mpanao gazety satria izy ireo no singa na fitaovana afaka miady amin’izany fanaparitahana vaovao diso sy ny tsaho izany, noho izy ireo afaka manome vaovao marim-pototra sy marina ho an’ny olom-pirenena » araka ny fanazavana nentin’Atoa Mamelasoa Ramiarinarivo, Tale mpandrindra eo anivon’ny Ong Ilontsera. « Atrikasa sy fifampizarana, raha ny marina no natao, satria ireo mpanao gazety nomena fiofanana dia saika efa matihanina teo amin’ny sehatry ny asa avokoa. Napetraka izay fifantenana izay satria ady no atao ary mila olona mahafehy tsara ny resaka etika sy deôntôlojian’ny asa fanaovan-gazety » hoy hatrany izy. Marihana fa tsy ny mpanao gazety ihany akory no nisitraka ity fampiofanana ity fa eo ihany koa ny orinasan-tserasera raha ny fanazavana azo hatrany. Ary tsy izy 15 mianadahy irery ihany koa fa mbola hipàka amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy. « Hiaraha-mahalala fa tsy teto Antananarivo ihany no nisian’izany valan’aretina Covid-19, niforonan’ireo tsaho isan-karazany fa i Madagasikara iray manontolo ». Ny tanjona amin’ity tetikasa ity dia tsotra : hahazoan’ireo olom-pirenena tsy an-kanavaka mahazo vaovao tena izy sy marina, mba ahafahan’izy mandray andraikitra, misoroka ary miady amin’ireo valan’aretina misy amin’izao fotoana izao.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici