Mandroso hatrany ! Mahavelom-panantenana hatreto raha ireo ezaka sy paik’ady ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, manoloana izao firongatry ny tsy fandriam-pahelamana, indrindra moa ny fanendahana sy ireo asan-jiolahy isan-karazany. Nisy araka izany ny fidinana ifotony, vao maraim-be teny amin’ireo faritra fantatra fa ikoizana tanteraka amin’izany asa ratsy izany. Raha ny omaly, nanao bemidina vao maraina teny amin’iny faritra Namontana, rond point « akoho », « théogene » iny, ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy etsy Mahamasina niaraka tamin’ireo polisy ny hery vonjy taitra avy etsy Tsaralalàna, nijery ny zava-nisy teny an-toerana. Tamin’izany fotoana izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena hatrany, no nisamborana andian’olona mirenireny, tsy fantatra hoe hanao inona na hanao inona. Manodidina ny 21 teo no isan’izy ireo, lehilahy avokoa, izay voasokajy ho nampiahiahy. Voatery nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy moa izy ireto, mba hanaovana fanadihadiana sy famotorana ary fisavàna karapanondro. Izany no natao, hoy ny fanazavana azo dia « mba hoentina hampandriana fahalemana sy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany » fa indrindra « ho fanamafisana ny paik’ady entina hiadina amin’ny asan-jiolahy sy ireo fanendahana matetika miseho ». Efa iarahan’ny rehetra mahalala tokoa fa anisan’ireo faritra anjakan’ny tsy fandriam-pahelamana iny faritra Anosibe, Namontana sy ny manodidina iny. Tsy vitsy ireo efa lasibatra teny an-toerana. Ny irarian’ny rehetra dia mba tsy hijanona eny ihany izao hetsika manokana izany fa hitohy sy hiparitaka amin’ireo faritra maro, izay efa mampikolay tanteraka ny mponina, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny eny Andravoahangy, Ambodivona, Ankorondrano, Andohatapenaka, Ambohipo, Ambatomaro sy ny maro hafa. Etsy andanin’izay ihany koa, heverina fa olon-kendry ireo mpitandro filaminana ireo ka tsy hanararaotra sy hanampatra fahefana ao anatin’izay fanatanterahana ny asany izay. Ny tsy azo lavina mantsy, mety misy ireo olona mampiahiahy amin’ireny olona ireny kanefa misy koa ireo mitady izay hivelomany ara-dalàna, izay toa sokajian’ireo mpanao fisafoana ho olon-dratsy avy hatrany.
m.L