- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 eto Toamasina : Betsaka ireo manao tandrevaka amin’ny...

Ady amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 eto Toamasina : Betsaka ireo manao tandrevaka amin’ny fiarovan-tena…

Sarotra ihany ny mety hahafahana mifehy ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19, sy ny valanaretina hafa lazain’ireo mpitsabo fa aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika, raha ny zava-misy etsy sy eroa no jerena amin’ny tandrevaka ataon’ny olona. Ny alatsinainy teo mantsy dia nilaza ny tompon’andraikitry ny CRCO fa haverina ny fanarahamaso ny fampiasana arovava orona eny an-dalam-be, sy ny fandraharaha fanafody amin’ireo fitaovam-pitaterana ary ny famedrahana ireo biraom-panjakana samihafa fampiasan’ny vahoaka, dia hita sahady ny tandrevaka ataon’ny olona momba ity Covid-19 ity eto Toamasina.

Ny alatsinainy antoandro teo ohatra dia nisy pastiora iray namoy ny ainy, izay voaporofon’ny mpitsabo nitsabo azy fa matin’ny Covid-19, ary voamarin’ny fitiliana izany. Tsy nahasakana ireo fianakiaviny sy ny mpiray fiangonana aminy tsy niandry ny fatiny izany ary tsy nisy nanakana ireo tompon’andraikitry ny CRCO tao anatin’izany. Ny lalàna mifehy ny valanaretina toy itony anefa mba tsy hisian’ny fiparitahany dia avy hatrany halevina raha vao mivoaka ny toeram-pitsaboana sy nahazo ireo pitsopitsom-panafody atao amin’ilay razana. Taorian’ny fiaretan-tory ny alatsinainy alina, dia ny talata fiafaran’ny tolakandro vao nalevin’ izy ireo ity pastiora matin’ny Covid-19 ity. Raha ny fanazavan’ny fianakavian’ilay pastiora matin’ny Covid-19 tamin’izao raharaha izao, dia tokony hofendrahina fanafody mahafaty viriosy ilay razana, izay atao ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly nahafaty azy. Ao ihany koa no kirakiraina ny momba azy rehetra, hatramin’ny vatam-paty, ka raha vita izany dia mivantana avy hatrany amin’ny toerana fandevenana ny razana. Tsy izay anefa ny zava-nisy fa nomen’ireo mpitsabo ny fianakaviana ny razana hokirakirainy.

Ankoatra izany, dia mbola tsy hita amin’ny zotra rejionaly manaraka ny lalam-pirenena faharoa ireo nolazain’ny CRCO fa tsy maintsy ataon’ireo fiara mpitatitra olona samihafa. Isan’izany ny fanasana tanàna sy fampiasana ny “gel” ary ny tsy maintsy fanaovana arovava orona ho an’ireo mpandeha sy ny mpamily ary ny mpanampy azy. Ny tena mahagaga amin’izy ity dia hitan’ny mpitandro ny filaminana izany rehetra izany, fa ny milaza ny tokony hataon’izy ireo aza tsy ataon’ireo mpitandro filaminana akory.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici