Fakàna vola tsy ara-drariny tamina fahazoan-dalana manorina trano no hanenjehana ity tompon’andraikitra iray eo anivon’ny sampandraharaha miandraikitra ny fanajariana ny tany sy asa vaventy ao amin’ny faritra Betsiboka. Fanodinkodinam-bolan’ny sekoly kosa no nahavoarohirohy ny talen-tsekoly iray ao amin’ny kaominina Antanimbary. Samy nalefa any am-ponja vonjimaika avokoa moa izy ireto, taorian’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana, rehefa nanao ny fanadihadiana ny teo anivon’ny Bianco tao Maevatanana araka ny tatitra azo avy tamin’izy ireo.
Isan’ny nampitaraina fatatra ireo mponina any amin’iny faritra Betsiboka iny zavatra tsy nety nataon’ity tompon’andraikitra iray ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ity sampandraharaha tsy miankina misahana ny ady amin’ny kolikoly ity, dia hoe tsy maintsy mandalo eo amin’ity tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ireo kisary ara-teknikan’ny trano haorina, izay vao mahazo fahazoan-dalana hahafahana manorina tao an-tampon-tananan’i Maevatanana. Ity olona ity araka izany manome ny fankatoavana alohan’ny hamoahan’ny kaominina ny antontan-taratasy. Indrisy anefa fa aveziveziny ireo olona manan-draharaha na lazainy tsotr’izao fa tsy manaraka ny fenitra ara-teknika ilaina ilay drafitra. Eo anatrehan’izany anefa dia tsy tahotra tsy henatra ilay tompon’andraikitra maka vola aman’hetsiny maromaro any amin’ireo olona ireo ho sara-panitsiana ilay drafitra, izay voalaza fa tsy manaraka ny lalàna velona. Nandray ny andraikiny ny Bianco ka izao niafara tamin’ny fampidirana azy am-ponja vonjimaika izao.
Raha ny mikasika ilay talen-tsekoly fanabeazana fototra tao amin’ny kaominina Antanimbary indray, dia voalaza araka ny fampitam-baovao hatrany fa fanodinkodinam-bola sy fangalana vola tsy ara-drariny no nanenjehana azy. Nisy vola mitentina eo amin’ny telo tapitrisa ariary teo ho eo mantsy, izay avy amin’ny « frais généraux »-n’ireo mpianatra ary natokana hanitarana ilay sekoly, no nanjavona nandritra ny fotoam-pitantanany (2018-2019), raha ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny Bianco hatrany. Tsy vitan’izay, hoy hatrany ny vaovao, fa mbola naka vola mitentina roa alina ariary isaky ny mpianatra ihany koa ingahy talen-tsekoly, kanefa tsy nisy rosia sy tsy fantatra mazava izay antony. Nahatratra 185 moa ireo mpianatra notakiany izay vola izay. Mazava ho azy tsy nisy tatitra tamin’ireo fikamban’ny ray aman-dreniny mpianatra ny nanaovana io vola io. Ireo antony roa ireo no nandraisan’ny Bianco fepetra hanao fanadihadiana momba azy ka io izao nampidoboka azy am-ponja izao, taorian’ny nanolorana ny raharaha teny amin’ny Fitsarana.
m.L / Ratantely