- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny tsy fandriam-pahalemana : Mitohy ny fitetezana ireo faritra mafampana ataon’ny...

Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana : Mitohy ny fitetezana ireo faritra mafampana ataon’ny Zandary

Nitohy tany amin’ireo faritra Melaky, Bongolava, Menabe, ary Atsimo Andrefana sy Ihorombe ny fidinana ifotony ataon’ny Zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Foibem-pibaikoana ny faran’ny herinandro lasa teo. Ho an’ny Melaky, Bongolava ary Menabe dia i Morafenobe nanaovana izany, izay notarihan’ny jeneraly Randriarimanana Mosesy, « directeur de la Police Judiciaire » eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimaria sy ny jeneraly Rakotobe Willy, lehiben’ny « Office de Lutte Contre la Corruption » eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Toy ny efa natao tany amin’ny faritra hafa dia fametrahana ny paikady sy ny toromarika avy amin’ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard, sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria hanarenana ny tsy fandriampahalemana,  ny hampiharana ny fitsipika anatin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny fandinihina miaraka amin’ny vahoaka sy ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana hifehezana ny tsy fandriampahalemana isam-paritra no anton’izao hetsika izao. Nisy ny tsoan-kevitra niraisan’ireo mpandray anjara tamin’ity dinika ity toy ny hampandraisana andraikitra ireo fokonolona amin’ny fanomezan-tanana ny mpitandro filaminana sy ny fanomezam-baovao. Hisy araka izany ny fampitaovana sy ny famatsiana ireo mpitandro filaminana amin’ireo fitaovana misy any an-toerana. Hoan’ny faritra Atsimo Andrefana sy Ihorombe kosa dia tao Sakaraha no nandray ireo iraka notarihan’ny jeneraly Manjakavelo Léonard, lefitra faharoa ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny jeneraly Ratelo André, « directeur général de la sécurité routière ». Nandritra ny fihaonana tamin’ny vahoaka sy ireo tompon’andraikim-panjakana tany an-toerana dia niray feo ny rehetra fa hiara-hientana sy hifanome tanana amin’ny Zandarimariam-pirenena handresena ireo olon-dratsy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici