Tsy mety misy filaminany mihitsy ity raharaha tany ao Belambo Toamasina II ity nanomboka ny taona 2013, teo amin’ny fianakavian’Atoa Philibert sy ny fikambanana “Fagnako”. Niitatra tamin’ity mpandraharaha malagasy nividy ny ampahan-tany izany taty aoriana. Noho izany dia nampiaka-peo ireo tompon-tany sy ny mpividy ny tany amin’ny fampiharana ny lalana.
“Tsy hanaiky ny fakana an-keriny tsotra izao ao anatina tamban-jotra avo lenta, sy fanaovana hosoka sy fampiasana izany izahay, vonona hatramin’ny farany hiaro ny fanananay izahay na inona hitranga eto…” hoy ireo tompon’ny tany “Antoby I” ao Belambo Toamasina II mirefy 148ha, manana ny titra 3583-BA, sy ny tompon’ny tany “Nambinina V” mirefy 500ha manana ny titra 19.817-BA. Noho izany dia namoaka ireo tsiambaratelom-piainany tamin’ny famoahana ny bokim-piankohonany, sy ireo antontan-taratasy maro milaza ny maha-azy ireo ny tany izay notsinontsinoavin’ny fitsarana tamin’ny famoahany ilay “ordonnance” nivoaka farany, noho ny fitorian’ny fikambanana “Fagnako” izy ireo. Nisy tamin’ireo olona am-polony nambaran’ilay didy fa afaka miverina manangan-trano ao anatin’ity tany manan-tompo ity indray izy ireo, anefa efa nisy nifanaraka tamin’izy ireo tamin’ny fanalana azy ireo, ary mbola nomena vola sy fanampiana samy hafa nifanarahana ho fanampiana azy ireo amin’ny fanorenany fiainam-baovao indray.
Milaza ny mbola hiditra haka ireo tany ambarany, fa an’ny vahoaka ny fikambanana “Fagnako”, amin’ny famarotana ny tanin’olona ho 15.000ariary ny “lot” iray 400m2. Manizingizina mafy hiaro ny fananany amin’ny fomba rehetra anefa ireo tompon-tany na tena mihatra aman’aina izany. Koa tena mbola hatahorana ny ho fifandonana hitranga izay mety hiterana faharatrana olona maro…
Malala Didier