- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAdy tany ao Belambo Toamasina II : Nidina tany an-toerana ny eo...

Ady tany ao Belambo Toamasina II : Nidina tany an-toerana ny eo anivon’ny prezidansa

Taorian’ny hevitry ny fikambanana fagnanko nanazava momba ilay tany ao Belambo Toamasina II, sy ny fidinan’ny talen’ny fitarainana eo anivon’ny prezidansa teto Toamasina efatra andro, dia namoaka ny heviny ihany koa ankehitriny ny tompon-tany ka nisy ny fanazavan-kevitra nataon’izy ireo tao amin’ny trano filanonana “la Famille”. Nambaran’ireto tompon-tany fa tsy afaka miady hevitra momba ny tany ny olona iray raha tsy manana “titre” sy “borne”. Raha ilay didim-pitsarana nivoaka teo anivon’ny fitsarana ambony, CATO-308/CTV/20 ny 01 desambra 2020, dia nilaza mazava fa nohamafisina ny fampiatoana ny didy fifampivarotana teo amin’ny tompon-tany sy ny mpividy. Midika izany fa miverina amin’ny tompony ny tany. Taorian’izay dia nangataka “assignation à bref délai” laharana 262-AGR ny fikambanana fagnanko mba hiditra amin’ilay tany, saingy raha nivoaka ny didy dia nandà ny fidirana amin’ilay tany ataon’ny fagnanko ny fitsarana. Ankilan’izany, nandritra ny dian’ny talen’ny fitarainana eo anivon’ny prezidansa dia nisy ny fifampidinihana nifanaovana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary ny fanjakana; ka tapaka tamin’izany fa

ho an’ireo vahoaka efa nipetraka tao amin’ilay tany talohan’ny taona 2016 nisian’ny

fifampivarotana dia hisy ny fanonerana azy ireo ara-tany mirefy 04ha na vola tomban’izany tany izany. Miala maina kosa ireo olona tonga taorian’izay sy ny tonga ny 25 febroary 2021, araka ny fifanarahana nifanaovana teo amin’ny roa tonta. Ankoatra izay dia efa nisy koa ny fivoriana nifanaovan’ny tompon-tany sy ny fanjakana tao an-toerana ny 03 marsa 2021 teo. Efa noraketina tao anatin’ny taratasy ny dinika nifanaovana ary navoaka ofisialy izay nosoniavin’ireo mpandray anjara, ka isan’izany prefen’i Toamasina sy ny governoran’ny faritra Atsinanana. Tapaka tamin’izany fa miato aloha ny fidirana amin’ilay tany ao Belambo na ho an’ny tompon-tany na ho an’ny fikambanana fagnanko. Tsy voahaja anefa izany satria mbola nitondra olona tany ny fikambanana fagnanko ary mbola nivarotra ireo tany norefesin’ny olona izay tsy ara-dalàna tanteraka. Manaitra ny rehetra vokatr’izany ny tompon-tany, fa tsy ara-dalàna ny varotra nataon’ny fikambanana fagnanko ny tany tao Belambo. Vokany, manaitra ny vahoaka izy ireo mba tsy hiditra amin’izany tsy ara-dalàna izany, fa efa misy ny didy mikasika izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici