Efa halohalika, araka ny fiteny ankehitriny ny ranom-bary, manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny kaominina Ambalajia, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Noho izany dia naneho ny heviny sy nitondra ny alahelony ireo lasibatry ny asan-dahalo any amin’ny tanàna voalaza etsy ambony, satria mikiky ny mponina sy ny fianakavian’ Atoa Rémy Velosoa izany, taoriany ady tany sy fandresena azony tamin’ny raharaham-pitsarana teto Maevatanàna ny 28 oktobra 2023 lasa teo iny. Vokatry ny zava-nisy tamin’izany no namoizana ny ain’ny zanaka vaviny vao dimy taona monja, ny 30 novambra 2023, ary fantatra niharihary ny olona naniraka dahalo nandritra izany, izay notazomina tamin’ny vavany taorian’ny fahareseny teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany teto Maevatanàna.
Ny 28 desambra lasa teo ihany no nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin’ny vary tsy hovidiana ny nahavanon-doza. Raha ny fanazavan’ireo manana ny maty hatrany dia efa namoaka didy fampisamborana tamin’ity herinandro ity ny mpitsara ho an’ireo olona telolahy, ka anisan’izany ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambalajia teo aloha. Marihina fa ny roa amin’ireo hosamborina no efa lasa nitsoaka ivelan’ny faritra Betsiboka. Ny iray kosa mbola miriaria any an-toerana, milaza fa mahafantatra olona ambony, saingy tsy misy atahorany ny fitorohana azy. Izay indrindra no nanaovan’Atoa Rémy Velosoa sy ny fianakaviana antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa ny zava-misy any amin’ny kaominina misy azy ireo, satria vokatry ny ady tany, nohajarian’ny mponina nandritra ny efapolo taona, nosandohan’ireo olona namoahana didy fampisamborana sy ilay lehilahy nampidirana am-ponja vonjimaika. Io no tena miteraka fikorontanana sy asan-dahalo ho an’ny vahoaka sy Rémy Velosoa, izay namboly tamin’ny tany efa ho taona maro lasa izay. Aty aoriana indray vao nilaza ho tompon-tany sy » chef de Ferme » ireo olona mpisandoka voalaza etsy ambony ireo. Marihina moa fa tanin’ny » Côlon » io nisy nisandoka io, ary tamin’ny taona 2009 hatraty amin’ny taona 2024, mbola tsy nahitan’ny olona any Ambalajia ny marina ny fanatofana vola ataon’ireo mpisandoka any amin’ny mpitandro ny filaminana sy tompon’andraiki-panjakana any an-toerana, hoy hatrany ireto solontenam-pokon’olona nitondra fanazavana taty aminay, satria tsy raisin’izy ireo ny taratasy fahamarinana makasika ny tany atolotron’ny vahoaka, fa asesin’ireo Zandary sy tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina makany amin’ny biaraon’ny disitrika eto Maevatanàna izy ireo. Mahatratra 500 ha 30ar ny fivelarany tanim-pabolena misy fifanolanana. Manao antso avo amin’ny mpitondra ambony ireo mponina mba hijerena akaiky ny olana misy, izay miteraka firongatry ny asan-dahalo, ary manao antso amin’ny filoha Andry Rajoelina ihany koa izy ireo mba hitazona ny fampanantenana nataony tamin’ireo vahoaka tany Mangabe ny taona 2018 nandritra ny fampelezan-Keviny, fifidianana filoham-pirenena, amin’ny hamerenana ny tany ho an’ny mponina ao amin’ny kaominina Mangabe sy kaominina Ambalajia.
Ratantely