- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAdy tany tao Anjozorobe : Nifampitifitra ny zandary, mpiaro olona ambony iray...

Ady tany tao Anjozorobe : Nifampitifitra ny zandary, mpiaro olona ambony iray maty

Ady tany iray tany Ambatomanoina, amin’iny distrikan’Anjozorobe iny no nivadika ho fifampitifirana teo amin’ny samy zandary, ny sabotsy lasa teo. Nandriaka ny rà. Vokany, mpitandro filaminana, miasa teo anivon’ny Fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Mahamasina, mpiaro manamboninahitra jeneraly iray no maty voatifitra. Araka ny fanazavana azo, nandritra ny fampiantsoana mpanao gazety omaly maraina, dia « nifampitarika tamin’andian’olona nikasa hiditra an-tanin’olona tsy nahazoan-dalana sy hanao herisetra amin’ny vadintany sy zandary tany amin’ny distrikan’Anjozorobe ity farany, ka maty taorian’ny fifampitifirana tany an-toerana ». Raha ny zava-nitranga, ny alakamisy lasa teo, tokony hanantanteraka didim-pitsarana mahakasikana ady tany, tany amin’iny faritra Anjozorobe iny ny vadintany. Noho izany dia nangataka ny fiarovan’ireo zandary any an-toerana izy, amin’izay fanatanterahana ny asa izay. Tetsy an-danin’izay anefa, nisy « olona niangavy azy ireo mba tsy hanatanteraka ilay didy aloha fa mba hiandry 48 ora satria nilaza fa haneho didy hafa fandravana izany izy ireo ». Io sabotsy io anefa, tonga tany an-toerana ireto olona nanohitra ireto, niaraka tamin’andian’olona bokonozatra, sy olona mirongo basy. Saika « hanao barofo mba tsy hahatanteraka ilay didy voalaza voalohany » anefa ireto farany, ka raikitra ny fifanjevoana. An-daniny, ireo mpitandro filaminana niaro ilay vadintany, tsy maintsy nandray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany ary tetsy an-kilany kosa ireo bokonozatra sy olona mitam-basy, toa vonona hatramin’ny farany hanao  di-doha. Tsy azo nihodiovirana ny fifampitifirana. Samy fitaovam-piadiana rahateo no teny an-tànana. Tamin’izay fotoana izay no naratra mafy voan’ny bala ny olona iray teo amin’ireo mpanohitra didy. Rehefa lavo ity farany, dia tafatsoaka kosa ny namany iray. Nezahina nentina notsaboina tany amin’ny toeram-pitsaboana ilay naratra, saingy tsy avotra intsony ny ainy. Tamin’ny fanamarinana ny mombamomba azy no nahafantarana fa zandary ihany koa ity farany, saingy sady tsy nanao fanamiana no tsy tokony any amin’ity toerana ity. « Ny fahatongavany tany dia nivoana tanteraka tamin’ny izay asa tokony ho nataony amin’ny maha zandary sy maha mpiambina manokana azy izao diany tany ka nahalavo azy izao » hoy ny fanazavàna azo avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Araka izany dia misokatra tanteraka ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Milaza ihany koa izy ireo fa « efa nosokafana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Ary marihana fa fandikan-dalana ny fanoherana fanatanterahana didim-pitsarana. Noho izany, ny zandarimariam-pirenena dia manambara fa tsy miray tsikombakomba, na miaro na manafina ny tsy mety izay ataon’ireo olom-peheziny raha sendra misy izany.». Araka izany, mbola eo am-pitadiavana ilay olona tafatsoaka, naman’ity mpiambina olona ambony maty voatifitra ity ireo mpanao fanadihadiana. Mbola tsy fantatra ny mombamomba azy. Raha ny siosion-dresaka dia toa hoe mpitandro filaminana ihany koa ity farany. Iza araka izany no ambadik’izao sy nampaniraka ireto andian’olona, hanao barofo tanin’olona ireto ?

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici