- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversMoramanga : « Kôpi kôle » Jerry Marcos notapahin-doha

Moramanga : « Kôpi kôle » Jerry Marcos notapahin-doha

Nisy nanafika ary tsy namelàna raha tsy niala hatramin’ny ainy. Tsy vitan’izany aza fa tamin’ny fomba feno habibiana no nanatontosana ilay heloka bevava : nodidiana tamin’ny zava-maranitra ny tendany. Izany ny zava-nitranga tao an-tokan-tranon’i Lovasoa Nirina ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Telo lahy raha kely indrindra no tompon’antoka tamin’ity raharaha vonoan’olona ity. Tao anatin’izany dia lasa koa ny vola mitentina 1,2 tapitrisa ariary izay notehirizina tao an-trano. I Lovasoa Nirina dia mpakafy ny artista Jerry Marcos no misy hitovizana be aminy koa ara-batana. Izany fampisehoana nataon’io artista io dia saika natrehin’i Lovasoa Nirina avokoa, raha mbola tratrany. Nisy fotoana aza tonga teny am-potofon-tsofin’ny artista izany ka nahatonga azy hampiakatra an-tsehatea an’i Lovasoa Nirina ary dia nomeny micro ka nanafana ny sehatra. Izany no nandrisika azy handray fanapahan-kevitra fa handray anjara amin’ny fifaninanana Kopikole izay karakarain’ny fahitalavitra iray eto an-drenivohitra, amin’ny aogositra hoavy izao. Vao teo am-piomanana ny amin’izany izy no io nosomparan’ny mpamono olona io. Miompana amin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza, mazava loatra, ny fanadihadiana izay nosokafan’ny mpitandro ny filaminana. Isan’ny mety ho voavaly avy amin’ny fahatratràrana an’ireo ny antony namonoana an’i Lovasoa. Raha fanafihana ka vola no notadiavina mantsy, tsy tokony ho tonga amin’ny habibiana tsy roa aman-tany, fanapahan-doha.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici