- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAfomanga tao Mananara avaratra : Enina mianadahy naratra tamin’ny fanapoahana izany…

Afomanga tao Mananara avaratra : Enina mianadahy naratra tamin’ny fanapoahana izany…

Nahitan-doza ny fanapoahana afomanga tao amin’ny distrikan’i Mananara avaratra ny alin’ny 25 jona tokony ho tamin’ny 07ora hariva tany ho any. Tao amin’ny tokontany malalaky ny sekoly ambaratonga faharoa tao an-toerana no nanapoahana izany, fa saingy vao nitranga ny loza dia efa samy nandray ny andraikiny ny rehetra ka vetivety foana dia efa tonga teny amin’ny hopitaliben’i Mananara avaratra ireo enina mianadahy izay vehivavy ny iray tamin’ireto naratra. Samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireto naratra tamin’ity resaka afomanga tao Mananara avaratra ity. Raha ny lohanom-baovao avy any an-toerana dia vokatry ny fahalemen’ny tany nateraky ny orana mikija tsy ankiato tato ho ato no isan’ny nahatonga ny loza. Raha tsorina dia tsy tafakatra hatreny amin’ny tokony ambony amin’ny tanjany ilay fipoahana noho ny fahalemen’ny tany ka vetivety dia niverina nilatsaka haingana. Lasa nanapoaka ireo afomanga tsy mbola nipoaka teo akaikiny ilay izy ka nitarika ny faharatran’ireo olona ireo. Ankoatra izany raha iverenana ny tantara dia nitovy tamin’ny fitondran’Atoa Ravalomanana ny taona 2008 ny teto Toamasina, tamin’ny fanapoahana ireo afomanga teny ambony remorquer tamin’izay, izay nahafatesana miaramila iray tamin’izany. Miverina ny tantara  izay efa fantatsika ny tohin’ny raharaha taty aoriana.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici