- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAkamasoa-Andralanitra : Lehilahy nahatrarana rongony sy toaka gasy vosambotra

Akamasoa-Andralanitra : Lehilahy nahatrarana rongony sy toaka gasy vosambotra

Lehilahy iray efa malaza ratsy amin’ny fanakorontanana sy totankely eny amin’ny faritra Andralanitra sy ny manodidina iny no tra-tehaky ny Polisim-pirenena niaraka tamin’ny rongony sy toaka gasy ny alarobia faha 31 martsa 2021 teo. Ny marainan’io alarobia io dia nanao fisafoana teny an-toerana ireo Polisin’ny FIP miasa ao amin’ny paositry ny Polisy Akamasoa. Nandritrra izany no nahitan’izy ireo lehilahy iray nampiahiahy. Nosakanana avy hatrany ity farany ary rehefa nosavaina dia nahatratrarana fonosan-drongony miisa efatra sy toaka gasy 1 litatra teny aminy. Nosamborina avy hatrany izy ary nogiazana ireo zavamahadomelina ireo ary nentina teny amin’ny « Poste de Police Akamasoa » izy nofotorana. Nandritra ny fanadihadiana no nahalalana fa efa nampitaraina ny mpiara-monina eny an-toerana ny fihetsika sy ny totakely ataon’ity lehilahy voasambotra ity.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici