- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAlain Ramaroson : Voasazy 1 taona an-tranomaizina, 9 andro sisa alainy

Alain Ramaroson : Voasazy 1 taona an-tranomaizina, 9 andro sisa alainy

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ilay raharaha mahavoarohirohy an’Atoa Alain Ramaroson ka nanenjehana azy ho nanao hosoka sy fampiasana hosoka tamin’ny varotra tany teny Andoharanofotsy, ny taona 2009 teo. Herintaona an-tranomaizina sy fandoavana onitra 950 tapitrisa Ariary no sazy nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo azy. Sazy an-tranomaizina izay azo lazaina fa efa madiva ho vitan’ny voaheloka ihany raha oharina amin’ny fotoana, izay nitazonana azy am-ponja vonjimaika nanomboka ny 3 Aogositra 2016.  9 andro sisa araka izany no mbola alainy.

Raha tsiahivina ny raharaha izay nitsarana ity mpanao politika tsy zohina amin’ny maro ity dia fanaovana hosoka tamin’ny fivarotana tany mirefy 1 ha izay lova nifampizarany tamin’ireo rahalahiny telo no anejehana azy. Nitory azy ny zanak’ireto rahalahiny ireto noho Alain Ramaroson nivarotra izany an-tsokosoko ka nampiasa taratasy fanomezan-dalana hosoka izay voalaza fa manome alàlana azy hivarotra ny anjaran’ireto farany. Ho setrin’izany fitaka izany dia nitaky onitra 2 lavitrisa Ariary ireo mpitory.

Hosoka satria, araka ny fiampangana nataon’ny fampanoavana nandritra ny fitsarana ity raharaha ity tamin’ny 18 jolay teo, olona efa maty tamin’ny 2002 sy 2008 ny roa tamin’ireo nolazaina fa nanao sonia ity taratasy ity, izay nosoratana tamin’ny 2009. Nanda izany mafy anefa ny voampanga sy ny mpislovava azy nandritra io fotoam-pitsarana io. Tao amin’ny fiarovan-tenany no nanizingizinany fa tsy izy mihitsy no nangalatra ireo sonia ireo. Nanaporofo izany ny mpisolovava azy ka nilaza fa voamarin’ny fitiliana natao tamin’io taratasy io izany. Tsy nanafina ny mety hisian’ny ambadika politika amin’izao raharaha izao ihany koa ny mpisolovava azy. Fantatra fa mbola misy raharaha hafa  mitovy tsy misy valaka amin’ity Andoharanofotsy ity  ihany ka ifanolanany amin’ny fianakaviany, tsy maintsy hitsarana azy amin’ny voalohan’ny volana Aogositra ho avy izao.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici