- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAlakamisy Anativato : Lasa ny 4 tapitrisa ariary, ramatoa iray natao takalonaina

Alakamisy Anativato : Lasa ny 4 tapitrisa ariary, ramatoa iray natao takalonaina

In-droa notafihan’ny jiolahy ny fokontany Ambalakatra kaominina Alakamisy Anativato distrikan’i Betafo, tao anatin’ny tapa-bolana izao . Ny tena nampitaraina ny mponina, dia ny farany teo tamin’ny Sabotsy alina satria tsy vitan’ny nandroba fotsiny ireo jiolahy fa nalainy nataony takalonaina  koa ny renim-pianakaviana iray. Araky ny fampitam-baovao, dia tsy latsaky ny 20 ireo jiolahy no nanao ny fanafihana. Manao be fiditra ry zalahy, miraradraraka ny tora-bato miampy poa-basy entina handemena saina ny mponina. Mpanangom-bokatra iray tao amin’ity fokontany ity no lasibatry ny fanafihana, tamin’io fotoana io. Ankevitry ny efa fantatr’ireo jiolahy koa ny fisian’ny vola be tao amin’ity tokantrano ity ka avy hatrany dia ny vola no notakiany. Fantara fa vola saika hanangonam-bokatra 4 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Na dia nisy aza ny fiambenana ataon’ny vatan-dehilahy ao amin’ito fokontany io, dia tsy nahasakana ny asa ratsin’ireo mpandroba izany. Vantany vao dify ny mpisafo ny tanàna dia ireny ry zalahy niditra nanao be fiavy ka nandroba . Nanaitra ireo mpiray fokontany ity fanafihana ity ka niezaka nanohitra ihany ny fokonolona tamin’ny alàlan’ny tora- bato fa tsy nahafa-piry nanoloana ny basy. Tsikaritr’ireo jiolahy fa manaraka azy ny fokonolona ka nalainy takalonaina ny renim-pianakaviana iray tao an-tanàna. Rehefa hitan’ireto jiolahy anefa, fa nihemotra ny fokonolona dia navotsiny ilay ramatoa. Soa aloha fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy tamin’ity fanafihana ity. Nilaza ilay ramatoa natao takalonaina fa fantany endrika ny lehiben’ireo jiolahy mpibaiko, nohamafisiny fa olona efa mpandalo matetika tao an-tanàna izy io. Mandry tsy lavo loha ny mponina eny ambanivohitra noho ny afitsok’ireo dahalo sy jiolahy. Fantatra mantsy, fa vao tamin’ny 2 may lasa teo no nisiana fanafihan-dahalo tao amin’io fokontany io ka nahaverezana omby  4.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici