Zava-doza indray no nitranga tetsy Alakamisy Fenoarivo, ny alin’ny asabotsy 25 jona lasa teo, manodidina ny tamin’ny 9 ora. Zazavavikely 13 taona monja no namoy ny ainy rehefa nofaohin’ny « Sprinter » iray izay nandalo ny lalam-pirenena voalohany iny, hihazo ny renivohitra. Araka ny tatitry ny renin’ity zaza ity, dia andeha hivoaka hanao harendrina izy ireo no izao tojo loza mahatsiravina izao. « Mipetraka tsy lavitra an’Ambohimasina, Alakamisy Fenoarivo, toerana nitrangan’ny loza izahay. Nivoaka handeha hanao harendrina sy hijery afomanga tahaka ny olon-drehetra izahay. Nanaraka tsara ny sisin’arabe na dia tery aza ny làlana noho ny fisian’ireo mpilalao kalesy. Tampoka avy eo, nisy « Sprinter » iray nandeha mafy be nifaoka tampoka ny zanako avy tany aoriana. Voasintoko ihany izy fa raha tsy izany dia mety voahitsaka mihitsy angamba. Avy eo izy nitrosona tamin’ny tany tsy nahatsiaro tena intsony » hoy hatrany ny fitantarany. Voalaza fa taorian’io loza io, dia nanohy ny diany toy ny tsy nisy na inona na inona ilay « Sprinter » fa tsy mba nijanona nijery izay loza nataony na dia teo aza ny fokonolona nitangorona. Ilay reniny rahateo mbola tany amin’ny nahazo an-janany ny sainy ka tsy nanana eritreritra hanakana na hanenjika an’ilay « Sprinter » intsony. Niezaka avy hatrany ny fianakaviana nitondra an’ilay zazavavikely tany amin’ny hopitalin’i Fenoarivo saingy ireto farany dia nandefa azy ireo hiakatra aty Andrenivohitra indray. Noho ny fisian’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ny alin’iny 25 jona iny sy ny halaviran-dàlana manasaraka ny kaominin’Alakamisy Fenoarivo amin’Antananarivo anefa, dia tsy tàna intsony ny ain’ilay zazavavikely. Voalaza fa ny lohany no tena voa mafy tamin’izany satria dia nahitana rà nivoaka tamin’ny sofiny. Manoloana ity trangan-javatra ity, dia tsy nipetra-potsiny ny Ben’ny Tanànan’Alakamisy Fenoarivo fa handray ny fepetra sy ny andraikitra mifanaraka amin’izay. Hatreto, mbola tsy fantatra na ny laharan’ity « Sprinter » ity na ny kaoperativa misy azy. Mbola eo am-pikarohana an’ilay « Sprinter » nahavanon-doza na izay vavolombelona naharay ny mombamomba azy ity araka izany ny fianakavian’ny maty. Misokatra ihany koa ny fanadihadiana eny anivon’ireo kaoperativa rehetra mampiasa ny làlam-pirenena voalohany.
Niony H.