- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlaotra : Kalachnikov 3 azon’ny zandary

Alaotra : Kalachnikov 3 azon’ny zandary

Mitombo hatrany ny vaky vala sy ny fanafihana mitam-piadiana izay mitranga aty Alaotra amin’izao fotoana izao  .Mandry tsy lavoloha hatrany ireo vahoaka eny Ambanivolo noho ny tsy fitovian’ny fitaovam-piadiana ampiasaina, satria raha lefona sy famaky ny an’ny vahoaka dia mampiasa fitaovam-piadiana maherivaika ny jiolahy .Noho ny ezaky ny mpitandro ny filaminana dia manomboka hita soritra ireo olo-maventy mamatsy ireny fitaovam-piadiana ireny, satria mahatratra 3 amin’izao fotoana izao ireo kalaknikov sarona ka voaray eny amin’ny tobin’ny zandary .Araka ny loharanom-baovao voaray hatrany dia manomboka fantatra amin’ny laharan’ireny basy ireny ny toerana nivoahan’ny basy  sy ireo bala miaraka aminy. Ao ny an’ny miaramila, ny an’ny  zandary,   ka tokony hahafantarana  ireo mivarotra ireny basy maherivaika ireny  sy ny nivoahany. Ny fanadihadiana anefa no manamarina izany ka tokony tsy hatao ambanin-javatra izany.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici