- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlaotra Mangoro : Fiovan’ny toe-trandro, tontosa ny hetsika fampahafantarana

Alaotra Mangoro : Fiovan’ny toe-trandro, tontosa ny hetsika fampahafantarana

Nosafidian’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana manokana, ny faritra Alaotra Mangoro Ambatondrazaka nanatanterahana ny fisokafana sy fampahafantarana ny rehetra amin’ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. Ny faha-11febroary 2016 teo no tontosa izany. Samy resy lahatra ny rehetra indrindra ny vahoaka sy ny mpianatra fa tokony hoezahana haingana ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Eo rahateo ny vinan’ny minisitera amin’ireo ady sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra hiarovana izany tontolo iainana izany. Tsy vitan’ny minisitera samy irery ny ady, fa an’ny rehetra. Tandindonin-doza ny sompitr’i Madagasikara noho ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny  fiovaovan’ny toetrandro  ka tokony hiara-mientana isika amin’izany ady iaraha-manana  amin’izany. Tonga taty an-toerana nanatanteraka fampiratiana ho an’ny rehetra ny tale nasionaly amin’ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara Atoa Rakotondravony Hery sy ny mpiara-miasa aminy, izay teo ambany fiahian’ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro ny Dr Raminoarison Honoré, sy ny préfen‘Ambatondrazaka Atoa Rakotondrasoa Daniel . Trano heva maro no naranty tetsy amin’ny toerana malalaka manoloana ny kaominina Ambatondrazeaka renivohitra izay nahitana  ireo mpiara-miombona antoka eo anivon’ny ady amin’ny fiovaovan’ny tontolo iainana, ary samy resy lahatra ny rehetra amin’izao ady iaraha-manana izao.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici