Tany mirefy 5.392ha no voalaza fa an’ny orinasa féculerie de Marovitsika, raha ny nambaran-dRamatoa Soanera Gabrielle epouse Moderin tamin’nympanao gazety, ny 12 desambra 2017, tao amin’ny efitrano fiasany tao amin’ny fokontany Marovitsika, kaominina Belavabary, distrikan’i Moramanga . Efa tamin’ny taona 2013 no efa tsy nihodina intsony ity ozinina ity, noho ny fahanteran’ireo fitaovana ao anatiny sy ho fitandrovana ny ain’ireo mpiasa. Mamboly zanakazo 70.000 isa isan-taona kosa no tanjon’izy ireo ho fiarovana ny tontolo iainana. Mandray fisotroan-dronono eny amin’ny CNAPS kosa izay mpiasa nahafeno ny fepetra. Tsy nandroaka ireo mponina efa niasa sy nonina teo hatramin’izay kosa izy ireo fa misy hatrany ny taratasy havaozina isan-taona omen’ireo mponina ny mpitantana ny orinasa amin’ny maha tanin’ny orinasa vita baorina azy. Ireo no nambaran’ny solontenan’ny mpadova. Etsy ankilany kosa ireo vahoaka maro an’isa dia nanambara fa iharan’ny tsindry hazo lena ary tsy mandry fahalemana mahakasika ny fivelomana ataon’izy ireo andavanandro. Misy amin’izy ireo no teraka tao ary efa mahatratra 80 taona amin’izao fotoana izao satria efa tao hatramin’izay ny ray aman-dreniny. Mitaintaina hatrany izy ireo manodidina izany satria efa nandao ny toerana nisy azy hatramin’izay ka efa teo no nitoetra ary namelona ny tany. Mipetraka ny ahiahy raha toa ka misy ny fiovam-pitantanana ka hanala azy ireo any aoriana, izay efa taranaka fahadimy ankehitriny. Miantso ny tompon’andraikitra mahefa izy ireo hijery akaiky ny toe-draharaha.
CATHY