- Publicité -
mardi, septembre 15, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlarobia : Famonoana an’i Beby sinoa, voasambotra i Therry sy Toto

Alarobia : Famonoana an’i Beby sinoa, voasambotra i Therry sy Toto

Ankoatr’ireo mpiasa vavy roa sy efa-dahy voasambotra sy efa any am-pigadrana ary ny tovolahy iray maty voatifitra, dia mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ilay famonoana sinoa vavy, fantatry ny maro amin’ny hoe Beby sinoa teny amin’iny faritra Alarobia iny, dia mbola niampy roa indray ireo voasambotra. Tovolahy roa fantatra amin’ny anarana hoe Therry sy Toto no voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava, tetsy Morarano  Alaboria ny talata sy ny alarobia lasa teo. Tamin’ny alalan’ny  fiaraha-miasa teo amin’ny andrimasom-pokonolona teny an-toerana no nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto araka ny fanazavàna azo avy tamin’ireo mpanao fanadihadiana. Ny iray moa, dia teo am-piomanana ny hitsoaka mihitsy no noraisim-potsiny. Teo am-panaovana fifindra-monina izy no saron’ny pôlisy. Samy voarohirohy ho nandray anjara nivantana tamin’ny famonoana ity sinoa vavy ity avokoa izy roalahy ireto. Ary tamin’ny fanadihadiana aza dia niaiky tanteraka izy ireo fa isan’ireo namono. Tsiahivina fa ny marainan’ny 29 Novambra 2016 no hita faty tao an-tranony i Beby sinoa, na i Sam Hao Sam Tu, raha ny tena anarany, voavono sy voafatotra. Mitazona toeram-pivarotana zava-pisotro eny amin’iny faritra Alarobia iny ny tenany ary mipetra-drery. Raha ny fanadihadiana tamin’io fotoana io, dia fantatra fa ny alin’io nahitàna azy io izy no notongavana andian-jiolahy tao an-tranony. Lasa tamin’izany ny vola rehetra tao an-trano. Ny ampitson’io ihany dia niroso tamin’ny fisamborana ny mpanampy roavavy tao aminy ny pôlisy. Andro vitsivitsy taty aoriana dia nisy tovolahy iray fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe Tatasy, voarohirohy ho isan’ireo nanafika no maty voatifitry ny pôlisy indray. Ary izao volana maromaro aty aoriana no nisy ireto roalahy voasambotra ireto. Omaly moa izy ireo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ary samy nadoboka am-ponja avokoa araka ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici