Tokony ho tamin’ny iray ora antoandro omaly, no niseho ny lozam-pifamoivoizana izay nahafaty olona iray. Nandeha mafy ary nisongona an-kavanana, raha araka ny fitantaran’ny olona ny fiara sprinter. Nifatratra tany amin’ny kamiao iray io fiara io ka noho ny hamafin’ny fifandonana, dia namoy ny ainy ny mpamilin’ilay sprinter. Mafy ny dona ary tsy nivoaka ny “airbag” na ny aroloza anaty fiara. Maty tsy tra-drano ny mpamily vokatr’izany. Ilay sprinter dia nofain’ny sinoa mpanao làlana mba hivezivezena mandritra ny fanamboarana ny làlam-baovao Alarobia-Tsarasaotra. Momba ilay kamiao indray, dia teo am-pihodinana izy no nidona tamin’ilay sprinter; izay tsy tafajanona avy ao aoriana. Naratra avokoa ny olona tao anatin’ilay fiara voalohany.
D.R