- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlasora : Fikasàna hamono olona, mpivady nosamborin’ny pôlisy

Alasora : Fikasàna hamono olona, mpivady nosamborin’ny pôlisy

Mpivaro-dronono no lasibatra teto. Nodarohan’izy ireo ny lohany ka rehefa hitany fa tsy nihetsika intsony dia nalain’izy roa ny vola tany amin’ity farany. Tranga niseho teny Alasora, ny herinandro lasa teo. Lehilahy iray sy vehivavy iray, izay voarohirohy tamin’ny resaka fandrobana sy fikasàna hamono olona no voasambotry ny pôlisy, ny sabotsy teo. Araka ny fampahafantarana nomen’ny pôlisy dia vola manodidina ny efatra hetsy ariary no lasan’ireo mpivady mpamono olona ireto niaraka tamin’ny findain’ilay mpivarotra. Nitsoaka toy ny tsy teo izy roa nony avy eo ary nihazo an’i Manalalondo iny, saingy tsy nahasakana ny fikarohana nataon’ny pôlisy ihany izany. Raha ny zava-nisy talohan’io mantsy, hoy ny hatrany ny vaovao dia efa notilian’izy ireo ity ramatoa iray mpivaro-dronono ity. Mody nolazain’izy ireo amin’izay fa misy ronono sy bidon amidy tao amin’izy ireo, teti-dratsy nentina nisintomana azy ho any an-trano fotsiny. Vantany vao tafiditra tao an-trano anefa ilay mpivarotra dia nohidin’izy roa ny trano ary nitambaran’izy ireo novonoina ity ramatoa ity. Niezaka nanohitra ihany anefa ilay lasibatra no sady niantso vonjy saingy toerana somary mangina ilay trano nisy azy ireo ka tsy nisy naheno. Nohararaotin’ireto mpivady izany, ary notontanin’izy ireo « bois rond » ny lohan’ilay ramatoa. Nitambotsitra ity farany ary tsy nihetsika intsony. Noheverin’izy ireo fa maty ihany ilay mpivarotra ka nalain’izy ireo ny vola tany aminy ary io nitsoaka io izy mivady. Taorian’io vao afaka niantso vonjy ilay ramatoa niharan’ny fandrobana ary nametraka fitoriana avy hatrany. Nandray an-tanana ny pôlisy ary nanomboka ny fikarohana ireo olon-dratsy. Io niafara tany Manalalondo io moa ny fisamborana. Nentina niakatra avy hatrany izy ireo ary notanana natao andrimaso teny amin’ny biraon’ny pôlisy ho amin’ny famotorana azy ireo, mialohan’ny handefasana ny raharaha eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici