Ora-mikija namono olona teto an-drenivohitra. Lehilahy iray, tokony ho 25 taona tany ho any maty tsy tra-drano, omaly hariva, teny amin’iny faritra Alasora iny, vokatry ny filatsaham-baratra. Nikija dia nikija tokoa ny orana omaly raha ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Narahana havandra aza izany tamin’ireo faritra sasantsany. Nirefodrefotra torak’izany ihany koa ny varatra. Ary nisy ny nilatsaka tetsy Alasora izay namoizana ain’olona iray. Araka ny angom-baovao azo dia handeha hody hamonjy ny fodiana ity tovolahy ity no izao nilatsaham-potaka izao, teo amin’ny fefilohan’Ambohimanandraisoa handeha hihazo an’Ambodivoanjo iny, izay samy ao amin’ny kaominina Alasora. Izy efa mitsirara sy tsy misy aina intsony no hitan’ny fokonolona ary nanaovana antso avo tao anatin’ny tambajotra sosialy, hikarohana izay mety ho havany. Fotoana vitsy taorian’ny nanaovana ny antso avo moa no tonga naka ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity ny fianakaviany. Roa andro teo tokoa izay no niverina nilatsaka indray ny orana teto an-drenivohitra, raha somary niato kely andro vitsivitsy. Mbola hitohy anefa izany oram-baratra izany, raha ny filazan’ny avy eo anivon’ny famantarana ny toetr’andro. Mila mailo sy tokony hitandrina amin’izany avokoa araka izany ny rehetra.
m.L