- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlasora : Maty nofirainy tamin'ny famaky ny zaobaviny

Alasora : Maty nofirainy tamin’ny famaky ny zaobaviny

Notsatohany tamin’ny famaky ny lohany. Ary tsy vitan’izany fa mbola notontainy tamin’ny malao ihany koa. Teny Alasora no nitrangan’izany ny alin’ny alarobia teo. Maty tsy tra-drano ilay ramatoa. Raha araka ny fantatra dia tsy tao ny vadin’ity vehivavy ity tamin’io fotoana io ka izay no nahatonga ilay mpamono olona nanararaotra. Tsy dia olana goavana akory no niandohan’ny raharaha, satria niainga tamin’ny findramam-bola teo amin’ny samy mpianakavy aloha. Tonga tao amin’izy mivady ilay rangahy izay tsy iza fa rahalahim-badiny ihany, ny marainan’ny nitrangan’ny famonoana. Nindram-bola no anton-diany ka rehefa nilaza ilay tokantrano fa tsy nisy dia toa nitondra fahasorenana ho azy izany. Vola  iray hetsy ariary no nangatahiny, raha araka ny loharanom-baovao izay akaiky ny mpiara-monina amin’ireo olona ka maharaka tsara ny raharaha. Rehefa tsy afa-po tamin’izay dia mbola niverina indray izy ny alina, saingy tsy teo intsony ny rahalahiny tamin’io fotoana io. Toa ny vava latsaka no nandrasany ny amin’ny hoe tsy misy azo ampindramina, dia herisetra sy vono amin’izay no nanaraka an’izay. Nofirainy famaky dia notontany malao ilay renim-pianakaviana, izay tsy iza fa ny zaobaviny ihany…
D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici