- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Mpamaky trano tratra niaraka tamin’ny môtô

Alasora : Mpamaky trano tratra niaraka tamin’ny môtô

Jiolahy mpamaky trano rain-dahiny no voasambotry ny zandary sy ny fokonolona raha nikasa hanao ny asa ratsiny teny amin’iny faritra Alasora iny, ny alahady lasa teo. Mbola tratra teny aminy moa ny entana maromaro izay vao avy nangalariny tamin’ny  trano hafa teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, ny andron’io alahady io ihany, toy ny firavaka sarobidy, finday miisa telo, ary vola madinika maromaro. Araka ny fampitam-baovao azo dia sarona nandritry ny fisamborana azy ny môtô nentiny, Yamaha Cygnus, sy ny sakaosy misy fitaovana maromaro fitondra mamaky trano, toy ny barre à mine. Tsy vitan’ireo moa fa mbola nisy fitaom-piadiana maromaro ihany koa tra-tehaka teny amin’ity lehilahy ity, 24 taona ity : antsibe, « poignard », fleche à bille ary balana PA calibre 7,65mm. Marihana fa nisy namany niaraka nanao izay asa ratsiny izany saingy tafaporitsaka tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo. Omaly ihany moa no natolotra ny Fampanoavana ity jiolahy rain-dahiny ity.

m.L

Ireo fitaovam-piadiana sarona teny amin’ilay jiolahy mpamaky trano
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici